# Fa ny zanak'Andriamanitra... dia tsy "Eny" na "Tsia."Fa kosa, Izy dia niteny foana hoe "Eny." Jesosy nilaza hoe "Eny" mikasika ny fampanantenan'Andriamanitra, izay midika fa nanome antoka Izy fa marina izany. DH: "Fa ny zanaka'Andriamanitra... dia tsy milaza hoe "Eny" sady "Tsia" mahakasika ireo fampanantenan'Andriamanitra. Fa kosa, izy dia milaza "Eny" hatrany. # Zanak'Andriamanitra Izany dia fiantsoana izay manan-danja ho an'i Jesosy izay mamaritra ny fifandraisany amin'Andriamanitra. # ny fampanantenan'Andriamanitra rehetra dia "Eny" avokoa ao aminy Izany dia midika fa i Jesosy dia manome antoka ny amin'ireo fampanantenan'Andriamanitra rehetra. DH: "ny fampanantenan'Andriamanitra dia azo antoka ao amin'ny Jesosy Kristy" # "Eny" avokoa ao aminy... amin'ny alalany koa isika dia hiteny Ny teny hoe "aminy" dia manondro an'i Jesosy Kristy.