plt_tn/1sa/17/34.md

28 lines
923 B
Markdown

# Efa zatra niandry ny andian'ondrin'ny rainy ny mpanomponao
Nilaza ny tenany hoe "mpanomponao" i davida mba hanehoana fanajana an'i Saoly. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 17:31. DH: "Izaho, mpanomponao, dia efa zatra niandry ny ondrin-draiko"
# zatra niandry ny andian'ondrin'ny rainy
"zatra nikarakara ny ondrin-drainy"
# bera
Ny bera dia biby goavana misy volo matevina sy hoho maranitra ary mandeha tongotra efatra kanefa afaka mitsangana amin'ny tongotra roa tahaka ny ataon'ny olona.
# nanenjika izany sy namely izany
Eto ny hoe "izany" dia ilazana ny liona na ny bera.
# nanavotra izany avy tao amin'ny vavany
Eto ny hoe "izany" dia manondro ny zanak'ondry.
# nitsangana hanohitra ahy izy
Eto ny hoe "nitsangana hanohitra" dia fomba fiteny ilazana ny famelezana. DH: 'namely ahy izany"
# tratrako tamin'ny volombavany
Ny "volombava" dia manondro volon'ny liona na ny volo eo amin'ny vavan'ny bera.