plt_tn/1sa/17/34.md

923 B

Efa zatra niandry ny andian'ondrin'ny rainy ny mpanomponao

Nilaza ny tenany hoe "mpanomponao" i davida mba hanehoana fanajana an'i Saoly. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 17:31. DH: "Izaho, mpanomponao, dia efa zatra niandry ny ondrin-draiko"

zatra niandry ny andian'ondrin'ny rainy

"zatra nikarakara ny ondrin-drainy"

bera

Ny bera dia biby goavana misy volo matevina sy hoho maranitra ary mandeha tongotra efatra kanefa afaka mitsangana amin'ny tongotra roa tahaka ny ataon'ny olona.

nanenjika izany sy namely izany

Eto ny hoe "izany" dia ilazana ny liona na ny bera.

nanavotra izany avy tao amin'ny vavany

Eto ny hoe "izany" dia manondro ny zanak'ondry.

nitsangana hanohitra ahy izy

Eto ny hoe "nitsangana hanohitra" dia fomba fiteny ilazana ny famelezana. DH: 'namely ahy izany"

tratrako tamin'ny volombavany

Ny "volombava" dia manondro volon'ny liona na ny volo eo amin'ny vavan'ny bera.