# Efa zatra niandry ny andian'ondrin'ny rainy ny mpanomponao Nilaza ny tenany hoe "mpanomponao" i davida mba hanehoana fanajana an'i Saoly. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 17:31. DH: "Izaho, mpanomponao, dia efa zatra niandry ny ondrin-draiko" # zatra niandry ny andian'ondrin'ny rainy "zatra nikarakara ny ondrin-drainy" # bera Ny bera dia biby goavana misy volo matevina sy hoho maranitra ary mandeha tongotra efatra kanefa afaka mitsangana amin'ny tongotra roa tahaka ny ataon'ny olona. # nanenjika izany sy namely izany Eto ny hoe "izany" dia ilazana ny liona na ny bera. # nanavotra izany avy tao amin'ny vavany Eto ny hoe "izany" dia manondro ny zanak'ondry. # nitsangana hanohitra ahy izy Eto ny hoe "nitsangana hanohitra" dia fomba fiteny ilazana ny famelezana. DH: 'namely ahy izany" # tratrako tamin'ny volombavany Ny "volombava" dia manondro volon'ny liona na ny volo eo amin'ny vavan'ny bera.