plt_tn/1sa/15/22.md

32 lines
1.2 KiB
Markdown

# Mankasitraka ny fanatitra dorana sy ny sorona tokoa ve Andriamanitra, tahaka ny amin'ny fankatoavana ny feon'i Yaveh?
Mametraka io fanontaniana io i Samoela mba hanindriana fa manan-danja bebe kokoa ny fankatoavana noho ny sorona. Azo adika ho fanambarana tsotra io. DH: "tsy ankasitrahan'i Yaveh tahaka ny fankatoavana ny feony ny fanatitra dorana sy ny sorona!"
# ny feon'i Yaveh
Eto ny "feo" dia ilazana ny didy izay nambaran'i Yaveh. DH: "ny zavatra izay nandidian'i Yaveh"
# Tsara noho ny sorona ny fankatoavana
Nitady ny fankatoavan'i Saoly feno i Yaveh amin'ny famotehana ny Amalekita. Tsy nisy na inona na inona tao amin'ilay tany mety hatao sorona.
# tsara mihoatra ny tavin'ny ondry lahy
"tsara mihoatra ny fanaovana sorona ny tavin'ny ondry lahy hatao fanatitra dorana"
# ny fikomiana dia tahaka ny fahotan'ny sikidy
DH: "fahotana tahaka ny famosaviana ny fikomiana"
# ny fahamafisan-doha dia tahaka ny faharatsiana sy heloka
"fahotana tahaka ny fanompoan-tsampy ny fahamafisan-doha"
# nolavinao ny tenin'i Yaveh
Eto ny "teny" dia ilazana ny didy izay nambaran'i Yaveh. DH: "nandà ny hanao izay nandidian'i Yaveh"
# nandà anao tsy ho mpanjaka
"nanapa-kevitra fa tsy ho mpanjaka intsony ianao"