# Mankasitraka ny fanatitra dorana sy ny sorona tokoa ve Andriamanitra, tahaka ny amin'ny fankatoavana ny feon'i Yaveh? Mametraka io fanontaniana io i Samoela mba hanindriana fa manan-danja bebe kokoa ny fankatoavana noho ny sorona. Azo adika ho fanambarana tsotra io. DH: "tsy ankasitrahan'i Yaveh tahaka ny fankatoavana ny feony ny fanatitra dorana sy ny sorona!" # ny feon'i Yaveh Eto ny "feo" dia ilazana ny didy izay nambaran'i Yaveh. DH: "ny zavatra izay nandidian'i Yaveh" # Tsara noho ny sorona ny fankatoavana Nitady ny fankatoavan'i Saoly feno i Yaveh amin'ny famotehana ny Amalekita. Tsy nisy na inona na inona tao amin'ilay tany mety hatao sorona. # tsara mihoatra ny tavin'ny ondry lahy "tsara mihoatra ny fanaovana sorona ny tavin'ny ondry lahy hatao fanatitra dorana" # ny fikomiana dia tahaka ny fahotan'ny sikidy DH: "fahotana tahaka ny famosaviana ny fikomiana" # ny fahamafisan-doha dia tahaka ny faharatsiana sy heloka "fahotana tahaka ny fanompoan-tsampy ny fahamafisan-doha" # nolavinao ny tenin'i Yaveh Eto ny "teny" dia ilazana ny didy izay nambaran'i Yaveh. DH: "nandà ny hanao izay nandidian'i Yaveh" # nandà anao tsy ho mpanjaka "nanapa-kevitra fa tsy ho mpanjaka intsony ianao"