plt_tn/1sa/15/22.md

1.2 KiB

Mankasitraka ny fanatitra dorana sy ny sorona tokoa ve Andriamanitra, tahaka ny amin'ny fankatoavana ny feon'i Yaveh?

Mametraka io fanontaniana io i Samoela mba hanindriana fa manan-danja bebe kokoa ny fankatoavana noho ny sorona. Azo adika ho fanambarana tsotra io. DH: "tsy ankasitrahan'i Yaveh tahaka ny fankatoavana ny feony ny fanatitra dorana sy ny sorona!"

ny feon'i Yaveh

Eto ny "feo" dia ilazana ny didy izay nambaran'i Yaveh. DH: "ny zavatra izay nandidian'i Yaveh"

Tsara noho ny sorona ny fankatoavana

Nitady ny fankatoavan'i Saoly feno i Yaveh amin'ny famotehana ny Amalekita. Tsy nisy na inona na inona tao amin'ilay tany mety hatao sorona.

tsara mihoatra ny tavin'ny ondry lahy

"tsara mihoatra ny fanaovana sorona ny tavin'ny ondry lahy hatao fanatitra dorana"

ny fikomiana dia tahaka ny fahotan'ny sikidy

DH: "fahotana tahaka ny famosaviana ny fikomiana"

ny fahamafisan-doha dia tahaka ny faharatsiana sy heloka

"fahotana tahaka ny fanompoan-tsampy ny fahamafisan-doha"

nolavinao ny tenin'i Yaveh

Eto ny "teny" dia ilazana ny didy izay nambaran'i Yaveh. DH: "nandà ny hanao izay nandidian'i Yaveh"

nandà anao tsy ho mpanjaka

"nanapa-kevitra fa tsy ho mpanjaka intsony ianao"