plt_tn/1pe/03/18.md

1.4 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Manazava ny fomba nijalian'i Kristy sy ny zavatra tanterak'i Kristy tamin'ny fijaliany i Petera.

nijaly ho antsika

Ny teny hoe "antsika" dia manondro an'i Petera sy ireo mpamaky.

mba hitondrany antsika eo amin'Andriamanitra

Ny tian'i Petera ho lazaina eto dia hoe maty i kristy mba hanorina fifandraisana akaiky eo amin'Andriamanitra sy isika.

Novonoina tamin'ny nofo Izy

Eto ny hoe "nofo" dia ilazana ny vatan'i Kristy; novonoina ara-nofo i Kristy. Azo atao hoe DH: "Novonoin'ny olona ara-nofo i Kristy"

fa novelomin'ny Fanahy

Azo atao hoe DH: "Nataon'ny Fanahy velona Izy"

ny Fanahy

Ireo mety ho dikany dia 1) amin'ny herin'ny Fanahy Masina

Tamin'ny alalan'ny Fanahy, dia nandeha

Ireo mety ho dikany dia 1) "Tamin'ny herin'ny Fanahy Masina, dia nandeha" na 2) "tamin'ny endrika ara-panahy, dia nandeha"

ireo fanahy izay any am-ponja ankehitriny

Ireo mety ho dikan'ny teny hoe "ireo fanahy" dia 1) "fanahy ratsy" na 2) "fanahin'ireo olona maty."

niandry ny faharetan'Andriamanitra

Ny teny hoe "faharetana" dia ilazana an'Andriamanitra mihitsy. Manoratra momba ny faharetan'Andriamanitra toy ny hoe olona i Petera. DH: "raha niandry am-paharetana Andriamanitra"

tamin'ny andron'i Noa, tamin'ny andron'ny fananganana sambofiara

Azo atao hoe DH: "tamin'ny andron'i Noa, rehefa nanangana sambofiara izy"

fanahy valo

Eto ny teny hoe "fanahy" dia ilazana ny olona. DH: "olona valo"