# Fampifandraisana ny foto-kevitra: Manazava ny fomba nijalian'i Kristy sy ny zavatra tanterak'i Kristy tamin'ny fijaliany i Petera. # nijaly ho antsika Ny teny hoe "antsika" dia manondro an'i Petera sy ireo mpamaky. # mba hitondrany antsika eo amin'Andriamanitra Ny tian'i Petera ho lazaina eto dia hoe maty i kristy mba hanorina fifandraisana akaiky eo amin'Andriamanitra sy isika. # Novonoina tamin'ny nofo Izy Eto ny hoe "nofo" dia ilazana ny vatan'i Kristy; novonoina ara-nofo i Kristy. Azo atao hoe DH: "Novonoin'ny olona ara-nofo i Kristy" # fa novelomin'ny Fanahy Azo atao hoe DH: "Nataon'ny Fanahy velona Izy" # ny Fanahy Ireo mety ho dikany dia 1) amin'ny herin'ny Fanahy Masina # Tamin'ny alalan'ny Fanahy, dia nandeha Ireo mety ho dikany dia 1) "Tamin'ny herin'ny Fanahy Masina, dia nandeha" na 2) "tamin'ny endrika ara-panahy, dia nandeha" # ireo fanahy izay any am-ponja ankehitriny Ireo mety ho dikan'ny teny hoe "ireo fanahy" dia 1) "fanahy ratsy" na 2) "fanahin'ireo olona maty." # niandry ny faharetan'Andriamanitra Ny teny hoe "faharetana" dia ilazana an'Andriamanitra mihitsy. Manoratra momba ny faharetan'Andriamanitra toy ny hoe olona i Petera. DH: "raha niandry am-paharetana Andriamanitra" # tamin'ny andron'i Noa, tamin'ny andron'ny fananganana sambofiara Azo atao hoe DH: "tamin'ny andron'i Noa, rehefa nanangana sambofiara izy" # fanahy valo Eto ny teny hoe "fanahy" dia ilazana ny olona. DH: "olona valo"