plt_tn/1pe/03/18.md

44 lines
1.4 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:17:55 +00:00
# Fampifandraisana ny foto-kevitra:
Manazava ny fomba nijalian'i Kristy sy ny zavatra tanterak'i Kristy tamin'ny fijaliany i Petera.
# nijaly ho antsika
Ny teny hoe "antsika" dia manondro an'i Petera sy ireo mpamaky.
# mba hitondrany antsika eo amin'Andriamanitra
Ny tian'i Petera ho lazaina eto dia hoe maty i kristy mba hanorina fifandraisana akaiky eo amin'Andriamanitra sy isika.
# Novonoina tamin'ny nofo Izy
Eto ny hoe "nofo" dia ilazana ny vatan'i Kristy; novonoina ara-nofo i Kristy. Azo atao hoe DH: "Novonoin'ny olona ara-nofo i Kristy"
# fa novelomin'ny Fanahy
Azo atao hoe DH: "Nataon'ny Fanahy velona Izy"
# ny Fanahy
Ireo mety ho dikany dia 1) amin'ny herin'ny Fanahy Masina
# Tamin'ny alalan'ny Fanahy, dia nandeha
Ireo mety ho dikany dia 1) "Tamin'ny herin'ny Fanahy Masina, dia nandeha" na 2) "tamin'ny endrika ara-panahy, dia nandeha"
# ireo fanahy izay any am-ponja ankehitriny
Ireo mety ho dikan'ny teny hoe "ireo fanahy" dia 1) "fanahy ratsy" na 2) "fanahin'ireo olona maty."
# niandry ny faharetan'Andriamanitra
Ny teny hoe "faharetana" dia ilazana an'Andriamanitra mihitsy. Manoratra momba ny faharetan'Andriamanitra toy ny hoe olona i Petera. DH: "raha niandry am-paharetana Andriamanitra"
# tamin'ny andron'i Noa, tamin'ny andron'ny fananganana sambofiara
Azo atao hoe DH: "tamin'ny andron'i Noa, rehefa nanangana sambofiara izy"
# fanahy valo
Eto ny teny hoe "fanahy" dia ilazana ny olona. DH: "olona valo"