plt_tn/1pe/03/07.md

1.2 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Manomboka miresaka manokana amin'ireo lehilahy manam-bady i Petera.

Toy izany ihany

Miverina maneho ny fomba nankatoavan'i Saraha sy ireo vehivavy araka an'Andriamanitra ny vadin'izy ireo tao amin'ny 3:5 i Petera.

vadinareo araky ny fahazavan-tsaina, toy ny fanaka malemy kokoa, ny vehivavy

Resahin'i Petera toy ny hoe fitoeran-javatra ny vehivavy, toy ny fomba fiantso ny lehilahy indraindray. DH: "vadinareo, amin'ny fahalalana fa ny vehivavy dia namana malemy kokoa"

omenareo voninahitra izy ireo tahaka ny mpiara-mandova ny fanomezan'ny fiainana

Azonao adika hoe DH: "hajao izy ireo satria izy ireo ihany koa dia handray ny fiainana mandrakizay izay omen'Andriamanitra"

mandova ny fanomezan'ny fiainana

Ny fiainana mandrakizay matetika dia resahina toy ny hoe zavatra ho lovain'ny olona.

Ataovy izany

Eto ny hoe "izany" dia maneho ny fomba tokony hitondran'ny lehilahy ny vadiny. DH: "Miaraha-miaina amin'ny vadinareo tahaka izao"

mba tsy ho voasakana ny vavakareo

Ny atao hoe "manakana" dia fisakanana ny zavatra iray mba tsy hitranga. Azo atao hoe DH: "mba tsy hisy hanakana ny vavakareo" na "mba tsy hisy hanakana anareo hivavaka araka ny tokony ho ataonareo"