plt_tn/1pe/03/07.md

28 lines
1.2 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:17:55 +00:00
# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
Manomboka miresaka manokana amin'ireo lehilahy manam-bady i Petera.
# Toy izany ihany
Miverina maneho ny fomba nankatoavan'i Saraha sy ireo vehivavy araka an'Andriamanitra ny vadin'izy ireo tao amin'ny 3:5 i Petera.
# vadinareo araky ny fahazavan-tsaina, toy ny fanaka malemy kokoa, ny vehivavy
Resahin'i Petera toy ny hoe fitoeran-javatra ny vehivavy, toy ny fomba fiantso ny lehilahy indraindray. DH: "vadinareo, amin'ny fahalalana fa ny vehivavy dia namana malemy kokoa"
# omenareo voninahitra izy ireo tahaka ny mpiara-mandova ny fanomezan'ny fiainana
Azonao adika hoe DH: "hajao izy ireo satria izy ireo ihany koa dia handray ny fiainana mandrakizay izay omen'Andriamanitra"
# mandova ny fanomezan'ny fiainana
Ny fiainana mandrakizay matetika dia resahina toy ny hoe zavatra ho lovain'ny olona.
# Ataovy izany
Eto ny hoe "izany" dia maneho ny fomba tokony hitondran'ny lehilahy ny vadiny. DH: "Miaraha-miaina amin'ny vadinareo tahaka izao"
# mba tsy ho voasakana ny vavakareo
Ny atao hoe "manakana" dia fisakanana ny zavatra iray mba tsy hitranga. Azo atao hoe DH: "mba tsy hisy hanakana ny vavakareo" na "mba tsy hisy hanakana anareo hivavaka araka ny tokony ho ataonareo"