# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Manomboka miresaka manokana amin'ireo lehilahy manam-bady i Petera. # Toy izany ihany Miverina maneho ny fomba nankatoavan'i Saraha sy ireo vehivavy araka an'Andriamanitra ny vadin'izy ireo tao amin'ny 3:5 i Petera. # vadinareo araky ny fahazavan-tsaina, toy ny fanaka malemy kokoa, ny vehivavy Resahin'i Petera toy ny hoe fitoeran-javatra ny vehivavy, toy ny fomba fiantso ny lehilahy indraindray. DH: "vadinareo, amin'ny fahalalana fa ny vehivavy dia namana malemy kokoa" # omenareo voninahitra izy ireo tahaka ny mpiara-mandova ny fanomezan'ny fiainana Azonao adika hoe DH: "hajao izy ireo satria izy ireo ihany koa dia handray ny fiainana mandrakizay izay omen'Andriamanitra" # mandova ny fanomezan'ny fiainana Ny fiainana mandrakizay matetika dia resahina toy ny hoe zavatra ho lovain'ny olona. # Ataovy izany Eto ny hoe "izany" dia maneho ny fomba tokony hitondran'ny lehilahy ny vadiny. DH: "Miaraha-miaina amin'ny vadinareo tahaka izao" # mba tsy ho voasakana ny vavakareo Ny atao hoe "manakana" dia fisakanana ny zavatra iray mba tsy hitranga. Azo atao hoe DH: "mba tsy hisy hanakana ny vavakareo" na "mba tsy hisy hanakana anareo hivavaka araka ny tokony ho ataonareo"