plt_tn/1pe/03/03.md

770 B

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Manohy miresaka amin'ireo vehivavy manam-bady i Petera.

aoka izany ho tanteraka

Ny teny hoe "izany" dia maneho ny faneken'ireo vehivavy sy ny fitondran-tenan'izy ireo manoloana ny vadin'izy ireo.

izay ao am-pon'ny olona

Eto ny teny hoe "ao am-pon'ny olona" sy ny "fo" dia ilazana ny toetra anatin'ny olona. DH: "ny tena maha-ianao anao any anaty"

ny fanahy tsara sy mangina

"toetra tsara sady tony." Eto ny teny hoe "mangina" dia midika hoe "tony." Ny teny hoe "fanahy" dia ilazana ny toetra na fihetsiky ny olona.

izay sarobidy eo anatrehan'Andriamanitra

Ny hevitr'Andriamanitra momba ny olona iray dia ataon'i Jakoba toy ny hoe mijoro mivantana eo anoloany io olona io. DH: "izay raisin'Andriamanitra ho sarobidy"