plt_tn/1ki/01/38.md

714 B

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Ny vahoakan'Israely manosotra an'i Solomona ho mpanjaka eo amin'Israely.

Keretita... Peletita

Ireo dia anarana vondron'olona.

Gihona

Ity dia anarana loharano, ilay rano madio mivoaka avy amin'ny tany.

Naka ny tandroka misy menaka avy tao amin'ny lay

Ity dia midika ny nakan'ireo mpisorona ny tandrokin'ny biby miavaka misy menaka izay notahirizina tao amin'ny lain'i Yaveh miavaka.

Naka ny tandroka misy menaka

Mety midika hoe 1) ny tandrokin'ny biby feno menaka oliva na 2) fitoeran-javatra izay nanoloana ny tandroka tena izy, fa mbola nantsoin'ny olona hatrany hoe tandroka. D.H: "naka ny fitoera-menaka."

ny olona rehetra

Ity dia amin'ny ankapobeny.