plt_tn/1jn/02/07.md

1.1 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Jaona dia manome an'ireo mpino ny fototry ny finamanana - ny fankatoavana ary ny fitiavana.

Ry malala

"Ianareo ry olona tiako" na "Ry namana malala"

tsy manoratra didy vaovao ho anareo aho, fa didy taloha

"Izaho manoratra ho anareo mba hifankatiavanareo, izay tsy zava-baovao fa didy taloha izay efa renareo." Jaona dia milaza ny didin'i Jesosy momba ny fifankatiavana.

hatramin'ny fiandohana

Eto ny hoe: "fiandohana" dia maneho ny fotoana nanapahan'izy ireo hevitra fa hanaraka an'i Kristy. DH: "nanomboka tamin'ny ninoanareo an'i Kristy voalohany"

Fa manoratra didy vaovao ho anareo aho

"Fa amin'ny fomba iray hafa ny didy soratako aminareo dia vaovao"

izay marina ao amin'i Kristy sy ao aminareo

Eto ny teny hoe: "ao" dia midika hoe: "nohon'ny." DH: "izay marina nohon'ny nataon'i Kristy, ary noho izay nataonareo"

ny haizina dia mandalo, fa ny fahazavana marina dia efa mamiratra

Eto ny "haizina" dia maneho ny ratsy ary ny "hazavana" dia maneho ny hatsarana. DH: "satria nitsahatra nanao ny ratsy ianareo ary manao ny tsara hatrany hatrany"