# Fampifandraisana ny foto-kevitra: Jaona dia manome an'ireo mpino ny fototry ny finamanana - ny fankatoavana ary ny fitiavana. # Ry malala "Ianareo ry olona tiako" na "Ry namana malala" # tsy manoratra didy vaovao ho anareo aho, fa didy taloha "Izaho manoratra ho anareo mba hifankatiavanareo, izay tsy zava-baovao fa didy taloha izay efa renareo." Jaona dia milaza ny didin'i Jesosy momba ny fifankatiavana. # hatramin'ny fiandohana Eto ny hoe: "fiandohana" dia maneho ny fotoana nanapahan'izy ireo hevitra fa hanaraka an'i Kristy. DH: "nanomboka tamin'ny ninoanareo an'i Kristy voalohany" # Fa manoratra didy vaovao ho anareo aho "Fa amin'ny fomba iray hafa ny didy soratako aminareo dia vaovao" # izay marina ao amin'i Kristy sy ao aminareo Eto ny teny hoe: "ao" dia midika hoe: "nohon'ny." DH: "izay marina nohon'ny nataon'i Kristy, ary noho izay nataonareo" # ny haizina dia mandalo, fa ny fahazavana marina dia efa mamiratra Eto ny "haizina" dia maneho ny ratsy ary ny "hazavana" dia maneho ny hatsarana. DH: "satria nitsahatra nanao ny ratsy ianareo ary manao ny tsara hatrany hatrany"