plt_tn/isa/24/03.md

24 lines
968 B
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:17:55 +00:00
# Ho rava tanteraka ny tany ary ho foanana tanteraka
DH: "Handrava tanteraka ny tany ary hanala ny zavatra rehetra manan-danja Yaveh"
# Yaveh no efa niteny izany teny izany
Eto ny hoe "teny" dia manambara izay nolazain'i Yaveh. DH: "nilaza Yaveh fa"
# Maina sy malazo ny tany, milofika sy malazo izao tontolo izao
Ireo andian-teny roa ireo dia midika zavatra iray ihany amin'ny ankapobeny. DH: "Ho maina sy ho faty ny zavatra rehetra eto an-tany" (UDB)
# ny tany...izao tontolo izao
Ireo dia samy manambara ny zavatra rehetra izay ao aminy.
# Nolotoin'ireo mponiny ny tany
Ny fanotan'ny vahoaka sy ny fanaovana ny tany ho tsy ankasitrahan'Andriamanitra dia resahina toy ny hoe nandoto ny tany mihitsy ny vahoaka. DH: "Nandoto ny tany ny vahoaka"
# efa nandika lalàna, nanota ny didy, ary nivadika tamin'ny fanekena maharitra mandrakizay izy ireo
"tsy nankatò ireo didy aman-dalàn'Andriamanitra izy ireo, ary nandika ny faneken'Andriamanitra mandrakizay"