# Ho rava tanteraka ny tany ary ho foanana tanteraka DH: "Handrava tanteraka ny tany ary hanala ny zavatra rehetra manan-danja Yaveh" # Yaveh no efa niteny izany teny izany Eto ny hoe "teny" dia manambara izay nolazain'i Yaveh. DH: "nilaza Yaveh fa" # Maina sy malazo ny tany, milofika sy malazo izao tontolo izao Ireo andian-teny roa ireo dia midika zavatra iray ihany amin'ny ankapobeny. DH: "Ho maina sy ho faty ny zavatra rehetra eto an-tany" (UDB) # ny tany...izao tontolo izao Ireo dia samy manambara ny zavatra rehetra izay ao aminy. # Nolotoin'ireo mponiny ny tany Ny fanotan'ny vahoaka sy ny fanaovana ny tany ho tsy ankasitrahan'Andriamanitra dia resahina toy ny hoe nandoto ny tany mihitsy ny vahoaka. DH: "Nandoto ny tany ny vahoaka" # efa nandika lalàna, nanota ny didy, ary nivadika tamin'ny fanekena maharitra mandrakizay izy ireo "tsy nankatò ireo didy aman-dalàn'Andriamanitra izy ireo, ary nandika ny faneken'Andriamanitra mandrakizay"