plt_tn/isa/17/06.md

36 lines
1.2 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:17:55 +00:00
# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:,m
Ity dia manohy ny fampitahana ny firenen'Israely amin'ny saha izay jinjaina. (Jereo ny 17:4)
# Hisy sisa voaangona ho tavela
Ny teny hoe "sisa voaangona" eto dia maneho ny vahoaka izay mbola velona ao Israely. DH: "Fa hisy olona vitsy ho tavela ao Israely"
# tahaka ny amin'ny fihozongozonan'ny hazon'oliva
Tamin'ny fanozongozonana ny hazon'oloiva no niotazan'ny olona ny oliva mba hilatsahan'izany. DH: "tahaka ireo oliva vitsy tavela eo amin'ny hazon'oliva aorian'ny hiotazana azy"
# efatra na dimy
Ny teny hoe "oliva" eto dia efa azo tamin'ny andian-teny talohan'ity. DH: "oliva efatra na dimy"
# izany no fanambaran'i Yaveh
Adikao araka ny nataonao tao amin'ny 14:21.
# hitodika amin'ny Mpahary azy ny olona ... hijery ny Iray Masin'Israely
Ny fitodihana amin'Andriamanitra eto dia maneho fanantenana fa hanampy azy ireo Izy. DH: "hanantena ny Mpahary, dia ilay Iray Masin'Israely, mba hanampy azy ny olona''
# hitodika amin'ny Mpahary azy ny olona
Ny teny hoe "olona" dia ilazana ny olona amin'ny ankapobeny.
# ny masony hijery
Eto ny "maso" dia maneho ny olona izay mijery. DH: "hijery izy ireo" na "hijery ny olona"
# Iray Masin'Israely
Adikao araka ny nataonao tao amin'ny 1:4.