# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:,m Ity dia manohy ny fampitahana ny firenen'Israely amin'ny saha izay jinjaina. (Jereo ny 17:4) # Hisy sisa voaangona ho tavela Ny teny hoe "sisa voaangona" eto dia maneho ny vahoaka izay mbola velona ao Israely. DH: "Fa hisy olona vitsy ho tavela ao Israely" # tahaka ny amin'ny fihozongozonan'ny hazon'oliva Tamin'ny fanozongozonana ny hazon'oloiva no niotazan'ny olona ny oliva mba hilatsahan'izany. DH: "tahaka ireo oliva vitsy tavela eo amin'ny hazon'oliva aorian'ny hiotazana azy" # efatra na dimy Ny teny hoe "oliva" eto dia efa azo tamin'ny andian-teny talohan'ity. DH: "oliva efatra na dimy" # izany no fanambaran'i Yaveh Adikao araka ny nataonao tao amin'ny 14:21. # hitodika amin'ny Mpahary azy ny olona ... hijery ny Iray Masin'Israely Ny fitodihana amin'Andriamanitra eto dia maneho fanantenana fa hanampy azy ireo Izy. DH: "hanantena ny Mpahary, dia ilay Iray Masin'Israely, mba hanampy azy ny olona'' # hitodika amin'ny Mpahary azy ny olona Ny teny hoe "olona" dia ilazana ny olona amin'ny ankapobeny. # ny masony hijery Eto ny "maso" dia maneho ny olona izay mijery. DH: "hijery izy ireo" na "hijery ny olona" # Iray Masin'Israely Adikao araka ny nataonao tao amin'ny 1:4.