plt_tn/isa/11/14.md

20 lines
846 B
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:17:55 +00:00
# hidina hanafika any amin'ny havoan'ny Filistina
Ny vahoakan'Israely sy Joda dia atao kisarisary toy ny hoe vorona izay misidina ambany faingana mba hamely olona na biby. DH: "handeha faingana ho any amin'ireo Filistina mba hanafika ny olona any izy ireo''
# ny sakeli-dRanomasin'i Egypta
Ny "sakeli-dRanomasina" dia faritra rano izay hodidinin'ny tany amin'ny ampahany kely.
# Miaraka amin'ny rivony mahamay dia hanofahofa ny tanany eo amin'ny Ony Eofrata Izy
Ny fanofahofana ny tanana amin'ny zavatra iray dia ilazana ny heriny hanova izany. DH: "Amin'ny heriny no handefasany rivo-mahamay hitsoka eo amin'ny Onin'i Eofrata"
# rivony mahamay
Io dia rivotra mahery sy mahamay izay mahatonga ny rano sasany ho ritra.
# ka ho afaka hiampitana miaraka amin'ny kapa izany
"mba hahafahan'ny olona miampita amin'izany na dia manao kapa aza"