# hidina hanafika any amin'ny havoan'ny Filistina Ny vahoakan'Israely sy Joda dia atao kisarisary toy ny hoe vorona izay misidina ambany faingana mba hamely olona na biby. DH: "handeha faingana ho any amin'ireo Filistina mba hanafika ny olona any izy ireo'' # ny sakeli-dRanomasin'i Egypta Ny "sakeli-dRanomasina" dia faritra rano izay hodidinin'ny tany amin'ny ampahany kely. # Miaraka amin'ny rivony mahamay dia hanofahofa ny tanany eo amin'ny Ony Eofrata Izy Ny fanofahofana ny tanana amin'ny zavatra iray dia ilazana ny heriny hanova izany. DH: "Amin'ny heriny no handefasany rivo-mahamay hitsoka eo amin'ny Onin'i Eofrata" # rivony mahamay Io dia rivotra mahery sy mahamay izay mahatonga ny rano sasany ho ritra. # ka ho afaka hiampitana miaraka amin'ny kapa izany "mba hahafahan'ny olona miampita amin'izany na dia manao kapa aza"