plt_tn/isa/10/05.md

36 lines
1.6 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:17:55 +00:00
# Loza
Ity teny ity dia manamarika ny fiandohan'ny fanambaran'Andriamanitra momba ny famaizana henjana hanohitra an'i Asyria.
# ireo Asyriana
Manondro ny mpanjakan'i Asyria io.
# tsorakazon'ny fahatezerako, ilay tsorakazo izay hitondrako ny fahavinirako
Samy mitovitovy hevitra ihany ireo andian-teny roa ireo. Mampitaha ny mpanjakan'i Asyria amin'ny fitaovam-piadiana izay entin'ny olona eny an-tanany ka hamelezany ny hafa i Yaveh. Manamafy izany fa ny mpanjakan'i Asyria sy ny tafiny dia fitaovana izay ampiasain'i Yaveh hamaizana an'Israely. DH: "izay ho tahaka ny fiadiana eny an-tanana izay hampiasaiko hanehoako ny fahatezerako"
# Alefako ... Mandidy azy
Ny teny hoe "azy" dia manondro ny mpanjakan'i Asyria. Saingy tsy midika izany fa ny mpanjakan'i Asyria ihany no hirahin'Andriamanitra; irahiny miaraka amin'ny tafik'i Asyria izy. DH: "Alefa ko ny tafik'i Asyria ... Mandidy azy ireo"
# hanohitra firenena miavonavona sy hanohitra ny vahoaka izay mizaka ny hatezerako manafotra
"hanafika firenena feno olona mirehereha izay nahatezitra Ahy tokoa"
# izay mizaka ny hatezerako manafotra
Ny fahatezerany dia resahin'i Yaveh toy ny hoe rano izay tsy omby ny fasiana azy; miezaka mitondra io fasiana io ny "olona," saingy mavesatra izany, ary mbola mandraraka rano hatrany Yaveh na dia efa nitobaka aza izany. DH: "izay mahatezitra Ahy hatrany na dia taorian'ny namaizako azy aza"
# haka ny babo
"haka ny zava-drehetra hananany"
# haka ny haza
haka ny olona tahaka ny haza.
# hanitsakitsaka ireo tahaka ny fotaka
Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny ao amin'ny 5:29.