plt_tn/hos/06/01.md

28 lines
1013 B
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:17:55 +00:00
# Fampifandraisana ny foto-kevitra:
Miaiky ny filan'izy ireo mibebaka ny vahoakan'Israely.
# Fa efa nanorotoro antsika Izy ... nandratra antsika Izy
Nofaizin'Andriamanitra ny vahoakan'Israely satria tsy nankatoa Azy sady nanompo sampy.
# hanasitrana antsika .... hamehy ny ferintsika
Mino Israely fa hamindra fo amin'izy ireo Andriamanitra rehefa mibebaka izy ireo ary hanafaka azy ireo amin'ny fahoriany Izy.
# Afaka roa andro dia hamelona antsika indray Izy; hanangana antsika Izy amin'ny andro fahatelo
Io dia manondro fe-potoana fohy. Mino Israely fa ho avy malaky hanavotra azy ireo amin'ny fahavalony Yaveh.
# roa andro ... andro fahatelo
"2 andro ... andro faha 3"
# Aoka hahafantatra an'i Yaveh isika
Eto ny hoe "hahafantatra" dia tsy midika fianarana ny toetra sy ny lalàn'Andriamanitra fotsiny, fa fahatongavana ho mahatoky aminy ihany ko.
# Ny fiposahany dia azo antoka tahaka ny mangiran-dratsy
Ho avy hanampy ny olony tahaka ny tsy maintsy hiposahan'ny masoandro amin'ny maraina Yaveh.