plt_tn/gen/39/03.md

24 lines
1.0 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:17:55 +00:00
# Ny tompony nahita fa nomba azy Yaveh
Ny heviny dia hoe nahita ny tompony fa nanampy an'i Josefa Yaveh. DH: "Hitan'ny tompony fa nanampy azy Yaveh"
# Yaveh nampiroborobo ny zavatra rehetra izay nataony
"nanambina ny zavatra rehetra izay nataon'i Josefa Yaveh"
# Dia nahita sitraka teo imasony i Josefa
Ny hevitry ny hoe "nahita sitraka" dia neken'ny olona. Ny fomba fiteny hoe "teo imasony" dia ilazana ny hevitry ny olona. Ireo mety ho heviny dia 1) DH: "faly tamin'i Josefa i Potifara" na 2) DH: "faly tamin'i Josefa Yaveh"
# nanompo an'i Potifara izy
Ny heviny dia hoe mpanompon'i Potifara manokana izy.
# Nataon'i Potifara ho mpitantana ny tranony i Josefa, ary izay rehetra nananany
"nampandraiketin'i Potifara an'i Josefa ny tokan-tranony sy ny zavatra rehetra izay nananan'i Potifara"
# nataony teo ambany fiahiany
Rehefa misy zavatra izay "atao eo ambany fiahian'ny olona iray," dia lasa tompon'andraikitra ny amin'ny fikarakarana sy ny fitandrovana an'izany fatratra izay olona izany. DH: "i Josefa no nampiandraiketiny"