# Ny tompony nahita fa nomba azy Yaveh Ny heviny dia hoe nahita ny tompony fa nanampy an'i Josefa Yaveh. DH: "Hitan'ny tompony fa nanampy azy Yaveh" # Yaveh nampiroborobo ny zavatra rehetra izay nataony "nanambina ny zavatra rehetra izay nataon'i Josefa Yaveh" # Dia nahita sitraka teo imasony i Josefa Ny hevitry ny hoe "nahita sitraka" dia neken'ny olona. Ny fomba fiteny hoe "teo imasony" dia ilazana ny hevitry ny olona. Ireo mety ho heviny dia 1) DH: "faly tamin'i Josefa i Potifara" na 2) DH: "faly tamin'i Josefa Yaveh" # nanompo an'i Potifara izy Ny heviny dia hoe mpanompon'i Potifara manokana izy. # Nataon'i Potifara ho mpitantana ny tranony i Josefa, ary izay rehetra nananany "nampandraiketin'i Potifara an'i Josefa ny tokan-tranony sy ny zavatra rehetra izay nananan'i Potifara" # nataony teo ambany fiahiany Rehefa misy zavatra izay "atao eo ambany fiahian'ny olona iray," dia lasa tompon'andraikitra ny amin'ny fikarakarana sy ny fitandrovana an'izany fatratra izay olona izany. DH: "i Josefa no nampiandraiketiny"