plt_tn/est/09/23.md

24 lines
1.1 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:17:55 +00:00
# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny
Ity andalana ity dia mamintina kokoa ny tantaran'i Estera mba hanazavana ny antony hanakalazana ny Porima.
# Hamana zanaka lahin'i Hamedoda ilay Agagita
Hadikao toy ny tao amin'ny 3:1 ireo anarana ireo.
# nanipy ny pora izy (izany hoe nanipy ny filokana izy)
Ny hoe "Pora" dia teny Persana midika hoe "filokana". Ny fehezanteny hoe "nitoraka pora" dia midika hoe "nanozona izy"
# nanipy ny filokana izy
Ny antony nanipazany loka dia azo atao mazava. DH: "Nanipy ny filokana izy mba ahafantarany hoe inona ny andro tsara hanafiana ireo Jiosy"
# Saingy rehefa tonga teo anatrehan'ny mpanjaka ny toe-draharaha
Ilay lahatsoratra Hebreo koa dia azo hadika hoe ny heviny: "Saingy tonga teo anatrehan'ny mpanjaka i Estera". Ireo andiany vaovao dia nisafidy io fandikana io.
# ny teti-dratsy izay novolavolain'i Hamana hanoherana ny Jiosy dia tokony hatsingerina ho eo an-dohany
Ny hoe "hatsingerina ho eo an-dohany" dia midika fa izany no tokony ho atao tamin'i Hamana. DH"Tokony ho atao tamin'i Hamana ilay teti-dratsin' nokasainy atao tamin'ireo Jiosy"