plt_tn/deu/30/06.md

20 lines
1.0 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:17:55 +00:00
# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny
Mosesy miresaka amin'ireo Israelita toy ny hoe olona iray ihany izy ireo, noho izany dia "ianao" no ampiasaina.
# Ho forain'i Yaveh ny fonao
Tsy hoe manala ny nofo ara-bakieny ity. Izany dia midika hoe hanala ny fahotan'izy ireo Yaveh ary hanome fahafahana azy ireo mba hitia sy hankato.
# amin'ny fonao manontolo sy amin'ny fanahinao manontolo
Ity fomba fiteny hoe "amin'ny fonao manontolo" ity dia midika hoe "tanteraka" ary ny hoe "amin'ny fanahinao manontolo" dia midika hoe "amin'ny maha-izy anao rehetra." Ireoo fehezanteny roa ireo dia manana dika mitovy. DH: "amin'ny maha-izy anao rehetra" na "amin'ny tanjakao rehetra." Adikao toy ny tao amin'ny 4:29 ireo teny ireo.
# hankato ny feon'i Yaveh
Eto ny hoe "feo" dia midika hoe izay lazain'i Yaveh. DH: "mankato an'izay lazain'i Yaveh"
# hametraka ireo ozona rehetra ireo eo amin' ireo fahavalonao
Mosesy dia miresaka ny ozona toy ny hoe entana na sarona izay afaka apetrakin'ny olona eo ambonin'ny olona iray. DH: "hampijaly an'ireo fahavalonao amin'ireo ozona ireo"