# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny Mosesy miresaka amin'ireo Israelita toy ny hoe olona iray ihany izy ireo, noho izany dia "ianao" no ampiasaina. # Ho forain'i Yaveh ny fonao Tsy hoe manala ny nofo ara-bakieny ity. Izany dia midika hoe hanala ny fahotan'izy ireo Yaveh ary hanome fahafahana azy ireo mba hitia sy hankato. # amin'ny fonao manontolo sy amin'ny fanahinao manontolo Ity fomba fiteny hoe "amin'ny fonao manontolo" ity dia midika hoe "tanteraka" ary ny hoe "amin'ny fanahinao manontolo" dia midika hoe "amin'ny maha-izy anao rehetra." Ireoo fehezanteny roa ireo dia manana dika mitovy. DH: "amin'ny maha-izy anao rehetra" na "amin'ny tanjakao rehetra." Adikao toy ny tao amin'ny 4:29 ireo teny ireo. # hankato ny feon'i Yaveh Eto ny hoe "feo" dia midika hoe izay lazain'i Yaveh. DH: "mankato an'izay lazain'i Yaveh" # hametraka ireo ozona rehetra ireo eo amin' ireo fahavalonao Mosesy dia miresaka ny ozona toy ny hoe entana na sarona izay afaka apetrakin'ny olona eo ambonin'ny olona iray. DH: "hampijaly an'ireo fahavalonao amin'ireo ozona ireo"