plt_tn/dan/12/01.md

24 lines
1.0 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:17:55 +00:00
# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
Ilay anjely niseho tamin'i Daniela ao amin'ny 10:4 dia mitohy miteny.
# i Mikaela, ilay andriandahy lehibe
I Mikaela dia arkanjely. Eto izy dia nomena anarana ihany koa hoe "andriandahy lehibe"
# Mikaela ... hitsangana
Eto ny hoe "mitsangana" dia fomba fiteny izay midika hoe miseho. DH: "Mikaela ... hiseho"
# ny vahoakanao dia ho voavonjy
Azo atao tso-drafitra izany. Azonao azavaina izany amin'ny hoe hamonjy ny vahoaka Andriamanitra. DH: "Hamonjy ny vahoakano Andriamanitra."
# izay rehetra hita voasoratra anarana ao amin'ny boky
Azo atao tso-drafitra izany. Azona azavaina izany amin'ny hoe manoratra anarana ao amin'ny boky Andriamanitra. DH: "izay rehetra nosoratan'Andriamanitra ao amin'ny boky ny anarany."
# izay mandry amin'ny vovoky ny tany no hitsangana
Ny andian-teny hoe "mandry amin'ny vovoky ny tany" dia fomba hafa hilazana ireo efa maty. Eto ny hoe "hitsangana" dia fomba fiteny izay midika hoe hiverina amin'ny fiainana. DH: "ireo izay maty dia hiverina amin'ny fiainana."