plt_tn/dan/09/17.md

36 lines
1.3 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:17:55 +00:00
# Koa
Tsy midika akory izany hoe "ankehitriny", fa fomba hanehoana ny dingana manaraka amin'ny vavak'i Daniela izay vao nanomboka izany.
# ny mpanomponao... ny fitalahoany famindram-po
Ny teny hoe "mpanomponao" sy "-ny" eto dia ilazana an'i Daniela. Miresaka momba ny tenany izy ho mari-panajana an'Andriamanitra.
# fitalahoany famindram-po
"fangatahana famindram-po"
# ampamirapirato ny tavanao
Miresaka momba an'i Yaveh miasa tsara ny mpanoratra tahaka ny hoe namirapira-pahazavana ny tavan'i Yaveh. DH: "miasa amin-katsaram-panahy" (UDB) na "miasa amin'ny fankasitrahana"
# ny fitoeranao masina
Izany dia ilazana nyu tempolin'i Jerosalema.
# sokafy ny sofinao ka mihanoa
Ny "manokatra ny sofina" dia fomba fiteny izay midika hoe mihaino. Ireo andian-teny roa ireo dia midika zavatra mitovy ary manasongadina ny fanirian'i Daniela an'Andriamanitra mba hiaino ny fivavany. DH: "mba henoy"
# sokafy ny masonao ka mijere
Ny "manokatra ny maso" dia fomba fiteny izay midika hoe mijery. Ireo andian-teny roa ireo dia midika zavatra mitovy ary manasongadina ny fanirian'i Daniela an'Andriamanitra mba handre ny fivavany. DH: "jereo izahay" na "mandrenesa"
# nantsoina avy amin'ny anaranao
Eto ny hoe "anarana" dia manambara ny fananana. DH: "dia tanànanao" na "anao"
# aza ela
DH: "Mihetseha haingana"