plt_tn/dan/07/27.md

40 lines
1.4 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:17:55 +00:00
# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny
Ilay olona tao amin'ny fahitan'i Daniela dia mitohy mireska amin'i Daniela.
# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
Maro amin'ireo lahatsoratra ao amin'ny andininy 23-27 no fiteny fanehoana. Noho izany antony izany, ny ULB dia mampiseho azy ireo amin'ny fomba kanto.
# Ny fanjakana sy ny fanapahana... dia homena ireo olona
DH: "Homen'Andriamanitra ho an'ny olona ... ny fanjakana sy ny fanapahana"
# Ny fanjakana sy ny fanapahana
Ireo teny roa ireo dia midika ifotony zavatra mitovy ary mampisongadina fa hikasika ny endriky ny fahefan'ny manam-boninahitra rehetra izany.
# ny halehibiazan'ny fanjakana
Ny anarana hoe "fahalehibeazana" dia azo adika amin'ny mpamari-toetra hoe "lehibe". DH: "ny zava-dehibe rehetra mikasika ny fanjakan'Andriamanitra"
# ny fanjakana eo ambanin'ny lanitra manontolo,
Ny fomba fiteny hoe "ambanin'ny lanitra manontolo" dia ilazana ireo fanjakan'ny tany. DH: "an'ny fanjakan'ny tany manontolo"
# Ny fanjakany
"Ny fanjakan'ny Avo Indrindra"
# fanjakana maharitra mandrakizay
"fanjakana izay hisy mandrakizay" na "fanjakana tsy hanam-pahataperana"
# Inty no faran'ny tranga
Izany dia midika fa nahavita ny fanoritsoritana ny fahitana i Daniela. DH: "izany no hitako tamin'ny fahitako" (UDB) na "Izany no fiafaran'ny fanoritsoritana ny hitako tao amin'ny fahitako"
# niova endrika ny tavako
"lasa hatsatra ny tavako"