plt_tn/2sa/16/11.md

28 lines
1.2 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:17:55 +00:00
# ny zanako lahy, izay naterako
Manoritsoritra ny zanany lahy tahaka izany i Davida mba hanindriana ny fifamatorana akaikin'ny ray sy ny zanany lahy. DH: "ny zanako lahy mihitsy" na "ny zanako malala"
# te-hifofo ny aiko
Io dia fomba mihaja hanondroana ny famonoana olona. DH: "te hamono ahy"
# Koa maika fa ny fanirian'ity Benjamina ity ny amin'ny faharavako?
Mampiasa io fanontaniana fampisainana io i Davida mba hilazana fa tsy gaga izy fa te hamono azy ilay lehilahy. Io dia afaka soratana ho fanambarana. DH: "Mazava ho azy fa maniry ny faharavako tokoa io Benjamita io!" na "Tsy gaga aho fa maniry ny faharavako ihany koa io Benjamita io!"
# fanirian'ity Benjamina ity ny amin'ny faharavako
Eto i Davida dia manoritsoritra ny fanirian'ilay lehilahy hamono azy tahaka ny hoe zavatra izay tian'ilay lehilahy ho ravana i Davida. DH: "maniry ahy ho faty" na "maniry ny hamono ahy"
# Avelao izy ary avelao izy hanozona
Eto ny andianteny hoe "avelao izy" dia midika fa tsy sakanana amin'izay ataony izy. DH: "Aza sakanana tsy hanozona ahy izy"
# Hijery
Eto ny hoe "mijery" dia midika hoe "mandinika". DH: "handinika"
# ny fahoriana mianjady amiko
Eto i Davida dia miresaka ny fahoriana toy ny hoe biby masiaka izay ampanenjehin'ilay Benjamita azy izany.