# ny zanako lahy, izay naterako Manoritsoritra ny zanany lahy tahaka izany i Davida mba hanindriana ny fifamatorana akaikin'ny ray sy ny zanany lahy. DH: "ny zanako lahy mihitsy" na "ny zanako malala" # te-hifofo ny aiko Io dia fomba mihaja hanondroana ny famonoana olona. DH: "te hamono ahy" # Koa maika fa ny fanirian'ity Benjamina ity ny amin'ny faharavako? Mampiasa io fanontaniana fampisainana io i Davida mba hilazana fa tsy gaga izy fa te hamono azy ilay lehilahy. Io dia afaka soratana ho fanambarana. DH: "Mazava ho azy fa maniry ny faharavako tokoa io Benjamita io!" na "Tsy gaga aho fa maniry ny faharavako ihany koa io Benjamita io!" # fanirian'ity Benjamina ity ny amin'ny faharavako Eto i Davida dia manoritsoritra ny fanirian'ilay lehilahy hamono azy tahaka ny hoe zavatra izay tian'ilay lehilahy ho ravana i Davida. DH: "maniry ahy ho faty" na "maniry ny hamono ahy" # Avelao izy ary avelao izy hanozona Eto ny andianteny hoe "avelao izy" dia midika fa tsy sakanana amin'izay ataony izy. DH: "Aza sakanana tsy hanozona ahy izy" # Hijery Eto ny hoe "mijery" dia midika hoe "mandinika". DH: "handinika" # ny fahoriana mianjady amiko Eto i Davida dia miresaka ny fahoriana toy ny hoe biby masiaka izay ampanenjehin'ilay Benjamita azy izany.