plt_tn/2ki/22/11.md

36 lines
1.5 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:17:55 +00:00
# Ary
Raha manana fomba ilazana izany amin'ny fiteninao ianao ho mariky ny fanombohana fizarana vaovao, dia azonao atao ny mampiasa izany eto.
# nandre ireo tenin'ny lalàna
Eto ny hoe "teny" dia ilazana ny ahafatra hita ao amin'ny lalàna. DH: "nandre ireo lalàna izay voasoratra ao amin'ny boky" na "nandre ireo lalàna izay voasoratra ao amin'ny horonan-taratasy"
# nandriatra ny akanjony izy
Izany fihetsika izany dia famantarana entina anehoana ny fahoriana sy alahelo lehibe.
# Ahikama ... Safana ... Akbora ... Mikaia ... Safana ... Asaia
Anaran-dehilahy avokoa ireo.
# miresaha amin'i Yaveh
Izany dia efa voazava tsara ao amin'ny 22:14 fa naka ny hevitr'i Yaveh tamin'ny alalan'ilay mpaminany vavy ireo ol0na mba hahafantarana ny sitrapon'i Yaveh.
# miresaka (miresaha)
mankany amin'ny olona mba haka torohevitra.
# ireo tenin'ity boky izay hita ity
Eto ny hoe "teny" dia ilazana ireo lalàna. Azo adika amin'ny endrika hafa izany. DH: "ireo lalàna tao anaty boky izay hitan'i Hilkia"
# Fa mafonja ny hatezeran'i Yaveh izay mirehitra amintsika
Resahina toy ny hoe afo mandoro ny fahatezeran'i Yaveh. DH: "Fa tezitra mafy amintsika i Yaveh"
# izay rehetra voasoratra momba antsika
Ny lalàna izay nomena an'Israely no tiana ho lazaina amin'izany. Azo adika amin'ny endrika hafa izany. DH: "Izay rehetra nosoratan'i Mosesy tao amin'ny lalàna ka tokony ho ataontsika" na "ny lalàna rehetra izay nomen'Andriamanitra ny vahoakan'Israely tamin'i alalan'i Mosesy"