# Ary Raha manana fomba ilazana izany amin'ny fiteninao ianao ho mariky ny fanombohana fizarana vaovao, dia azonao atao ny mampiasa izany eto. # nandre ireo tenin'ny lalàna Eto ny hoe "teny" dia ilazana ny ahafatra hita ao amin'ny lalàna. DH: "nandre ireo lalàna izay voasoratra ao amin'ny boky" na "nandre ireo lalàna izay voasoratra ao amin'ny horonan-taratasy" # nandriatra ny akanjony izy Izany fihetsika izany dia famantarana entina anehoana ny fahoriana sy alahelo lehibe. # Ahikama ... Safana ... Akbora ... Mikaia ... Safana ... Asaia Anaran-dehilahy avokoa ireo. # miresaha amin'i Yaveh Izany dia efa voazava tsara ao amin'ny 22:14 fa naka ny hevitr'i Yaveh tamin'ny alalan'ilay mpaminany vavy ireo ol0na mba hahafantarana ny sitrapon'i Yaveh. # miresaka (miresaha) mankany amin'ny olona mba haka torohevitra. # ireo tenin'ity boky izay hita ity Eto ny hoe "teny" dia ilazana ireo lalàna. Azo adika amin'ny endrika hafa izany. DH: "ireo lalàna tao anaty boky izay hitan'i Hilkia" # Fa mafonja ny hatezeran'i Yaveh izay mirehitra amintsika Resahina toy ny hoe afo mandoro ny fahatezeran'i Yaveh. DH: "Fa tezitra mafy amintsika i Yaveh" # izay rehetra voasoratra momba antsika Ny lalàna izay nomena an'Israely no tiana ho lazaina amin'izany. Azo adika amin'ny endrika hafa izany. DH: "Izay rehetra nosoratan'i Mosesy tao amin'ny lalàna ka tokony ho ataontsika" na "ny lalàna rehetra izay nomen'Andriamanitra ny vahoakan'Israely tamin'i alalan'i Mosesy"