plt_tn/1th/02/17.md

36 lines
1.3 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:17:55 +00:00
# Rahalahy
Eto izany dia midika hoe Kristiana namana, anisan'izany ny lehilahy sy vehivavy.
# Tamin'olona fa tsy tao am-po
Na dia tsy nanatrika tao Tesalonika aza ny tenan'i Paoly, dia mifandray am-po amin'izy ireo izy.
# Hahita ny tavanareo
Eto ny hoe: "ny tavanareo" dia midika hoe ny olona iray manontolo. DH: "mba ahita anao" na "mba hiaraka aminao."
# Izaho, Paoly, matetitetika
Izaho, Paoly, niezaka matetitetika."
# Fa inona moa ny fanantenanay ... amin'ny fihaviany?
Paoly dia nampiasa io fanontaniana io mba hampaherezana ireo mpino ary mamaly izany amin'ny andininy manaraka. DH: "Ianao no fanantenanay ny ho avy, fifalianay, ary satro-boninahitra amin'ny fihavian'i Jesosy Kristy Tomponay.
# Fanantenanay ny ho avy ... Moa tsy ianao
Amin'ny hoe: "fanantenana" Paoly dia milaza ny fahatokiana ananany fa Andriamanitra dia hanome valisoa azy noho ny asany. Ireo Kristiana Tesaloniana no anton'ny fanantenany.
# Na fifaliana
Ireo Tesaloniana no anton'ny fifaliany.
# Satro-boninahitry ny fandresena
Eto ny hoe "satro-boninahitra" dia manondro ny satro-boninahitra atolotra ny atleta mpandresy. Ny hoe "satro-boninahitry ny fandresena" dia hoe valisoa noho ny fandresena, na fanaovana tsara.
# Moa tsy ianareo toy ireo sasany hafa koa ve?
Izany fanontaniana izany dia afaka hadika toy ny fanambarana. DH: "ianao sy ireo mpino hafa izany."