plt_tn/1sa/15/17.md

28 lines
1.1 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:17:55 +00:00
# eo imasonao ihany
Eto ny hoe "imasonao" dia maneho ny hevitra izay mifototra amin'ny hitany. DH: "amin'ny fihevitrao manokana"
# moa tsy natao ho lohan'ireo fokon'Israely ve ianao?
Ampiasain'i Samoela io fanontaniana io mba hampatsiahivana an'i Saoly ny amin'ny halehiben'izay efa nomen'Andriamanitra azy. DH: "Nataon'i Yaveh mpanapaka ny fokon'Israely ianao!"
# Nahoana ianao no tsy nankatoa ... Yaveh?
Mametraka io fanontaniana io i Samoela mba hibedesana an'i Samoela nohon'ny tsy fankatoavana an'i Yaveh. DH: "Tokony nankatoa ... Yaveh ianao!"
# ny feon'i Yaveh
Eto ny "feo" dia ilazana ny didy izay nambaran'i Yaveh. DH: "ny zavatra izay nandidian'i Yaveh"
# fa naka ireo babo kosa ianao
Ampangain'i Samoela nohon'ny tsy fankatoavana mivantana i Saoly. Nandidy an'i Saoly mba hamotika tanteraka ny zavatra rehetra izay an'ny Amalekita, ary mba tsy hitondra na inona na inona hiverina any an-toby Yaveh.
# ireo babo
"ny fananana izay nalainareo tamin'ny fahavalo"
# izay ratsy teo imason'i Yaveh
Eto ny hoe "imaso" dia ilazana ny fihevitra na eritreritr'i Yaveh. DH: "izay raisin'i Yaveh ho ratsy"