plt_tn/1ki/13/01.md

36 lines
1.2 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:17:55 +00:00
# Nisy lehilahin'Andriamanitra avy any Joda tonga tao Betela nohon'ny tenin'i Yaveh
Ny fampahalalana efa mazava dia hoe naniraka lehilahin'Andriamanitra tany Betela Yaveh. DH: "nandefa lehilahin'Andriamanitra avy tany Joda ho any Betela Yaveh"
# lehilahin'Andriamanitra
Io dia anaranan'ny mpaminany hafa. DH: "mpaminany"
# ny tenin'i Yaveh
Eto ny hoe "teny" dia manambara ny hafatr'i Yaveh. DH: "ny hafatr'i Yaveh"
# Nihikiaka tamin'ny alitara...izy
Eto ny hoe "izy" dia manondro ilay lehilahin'Andriamanitra.
# Nihikiaka tamin'ny alitara
Midika izany fa naminany tany amin'ny alitara tamin'ny feo mafy sy manameloka izy. DH: "naminany mafy tamin'ny alitara"
# Alitara! Alitara!
Niresaka tamin'ny alitara toy ny hoe olona izay afaka mandre azy ny mpaminany. Nolazainy indroa izany mba hanindriana.
# lehilahy antsoina hoe Josia hateraka amin'ny fianakavian'i Davida
Eto ny hoe "fianakavian'i Davida" dia manondro ireo taranak'i Davida. DH: "hanan-janaka antsoina hoe Josia ny taranak'i Davida iray"
# Handoro...izy ireo
Eto ny hoe "izy ireo" dia manondro an'i Josia sy ny olona niaraka taminy.
# hiparitaka ny alitara, ary hiraraka ny lavenona eo aminy
DH: "Hanaparitaka ny alitara Yaveh ka hiraraka amin'ny tany ireo lavenona eo amin'izany"