# Nisy lehilahin'Andriamanitra avy any Joda tonga tao Betela nohon'ny tenin'i Yaveh Ny fampahalalana efa mazava dia hoe naniraka lehilahin'Andriamanitra tany Betela Yaveh. DH: "nandefa lehilahin'Andriamanitra avy tany Joda ho any Betela Yaveh" # lehilahin'Andriamanitra Io dia anaranan'ny mpaminany hafa. DH: "mpaminany" # ny tenin'i Yaveh Eto ny hoe "teny" dia manambara ny hafatr'i Yaveh. DH: "ny hafatr'i Yaveh" # Nihikiaka tamin'ny alitara...izy Eto ny hoe "izy" dia manondro ilay lehilahin'Andriamanitra. # Nihikiaka tamin'ny alitara Midika izany fa naminany tany amin'ny alitara tamin'ny feo mafy sy manameloka izy. DH: "naminany mafy tamin'ny alitara" # Alitara! Alitara! Niresaka tamin'ny alitara toy ny hoe olona izay afaka mandre azy ny mpaminany. Nolazainy indroa izany mba hanindriana. # lehilahy antsoina hoe Josia hateraka amin'ny fianakavian'i Davida Eto ny hoe "fianakavian'i Davida" dia manondro ireo taranak'i Davida. DH: "hanan-janaka antsoina hoe Josia ny taranak'i Davida iray" # Handoro...izy ireo Eto ny hoe "izy ireo" dia manondro an'i Josia sy ny olona niaraka taminy. # hiparitaka ny alitara, ary hiraraka ny lavenona eo aminy DH: "Hanaparitaka ny alitara Yaveh ka hiraraka amin'ny tany ireo lavenona eo amin'izany"