plt_tn/2ki/06/22.md

36 lines
1.5 KiB
Markdown

# Elisa namaly hoe
Namaly ny fanontanian'ny mpanjakan'Israely i Elisa.
# Hovonoinao ve ireo izay nobaboanao tamin'ny sabatra sy ny tsipìka?
Nampiasa izany fanontaniana fampisainana i Elisa mba hanehoany fa tsy tokony hamono ireo lehilahy ireo ny mpanjaka. Azo atao fehezanteny tsotra izany. DH: "Tsy tokony hamono ireo lehilahy izay nosamborina ho babo tany an'ady ianao" na "Tsy tokony hamono ireo lehilahy azo babo tany an'ady ianao"
# nobaboanao tamin'ny sabatra sy ny tsipìka
Izany dia miresaka ireo miaramilan'ny mpanjaka izay nambabo ireo lehilahy toy ny hoe ny mpanjaka mivantana no nisambotra azy ireo. DH: "nobaboin'ireo miaramilanao tamin'ny sabatra sy ny tsipìka"
# tamin'ny sabatra sy ny tsipìka
Fitaovam-piadiana ampiasaina amin'ny ady. DH: " tamin'ny sabatra sy ny tsipìka tany an'ady"
# Mametraha mofo sy rano eo anoloan'izy ireo
Eto ny hoe "mofo" dia ilazana ny sakafo amin'ny ankapobeny. DH: "Omeo sakafo hohanina sy rano hosotrina izy ireo"
# mandehana any amin'ny tompon'izy ireo
Ny mpanjakan'i Arama no lazaina amin'izany.
# Koa nanomana sakafo maro ho azy ireo ilay mpanjaka
Nibaiko ireo mpanompony mba hakirakara sakafo ny mpanjaka. Fa tsy ny mpanjaka mivantana akory no nikarakara ny sakafo. DH: "Ary avy eo dia nibaiko ireo mpanompony mba hikarakara sakafo be ho azy ireo ny mpanjaka"
# ireo tarika (ireo tariky)
"ireo vondron'ny"
# niverina tany amin'ny tanin'Israely nandritra ny fotoana ela
Midika izany fa tsy nanafika an'Israely nandritra ny fotoana ela izy ireo. DH: "nitsahatra tsy nanafika ny tanin'Israely nandritra ny fotoana ela"