# Elisa namaly hoe Namaly ny fanontanian'ny mpanjakan'Israely i Elisa. # Hovonoinao ve ireo izay nobaboanao tamin'ny sabatra sy ny tsipìka? Nampiasa izany fanontaniana fampisainana i Elisa mba hanehoany fa tsy tokony hamono ireo lehilahy ireo ny mpanjaka. Azo atao fehezanteny tsotra izany. DH: "Tsy tokony hamono ireo lehilahy izay nosamborina ho babo tany an'ady ianao" na "Tsy tokony hamono ireo lehilahy azo babo tany an'ady ianao" # nobaboanao tamin'ny sabatra sy ny tsipìka Izany dia miresaka ireo miaramilan'ny mpanjaka izay nambabo ireo lehilahy toy ny hoe ny mpanjaka mivantana no nisambotra azy ireo. DH: "nobaboin'ireo miaramilanao tamin'ny sabatra sy ny tsipìka" # tamin'ny sabatra sy ny tsipìka Fitaovam-piadiana ampiasaina amin'ny ady. DH: " tamin'ny sabatra sy ny tsipìka tany an'ady" # Mametraha mofo sy rano eo anoloan'izy ireo Eto ny hoe "mofo" dia ilazana ny sakafo amin'ny ankapobeny. DH: "Omeo sakafo hohanina sy rano hosotrina izy ireo" # mandehana any amin'ny tompon'izy ireo Ny mpanjakan'i Arama no lazaina amin'izany. # Koa nanomana sakafo maro ho azy ireo ilay mpanjaka Nibaiko ireo mpanompony mba hakirakara sakafo ny mpanjaka. Fa tsy ny mpanjaka mivantana akory no nikarakara ny sakafo. DH: "Ary avy eo dia nibaiko ireo mpanompony mba hikarakara sakafo be ho azy ireo ny mpanjaka" # ireo tarika (ireo tariky) "ireo vondron'ny" # niverina tany amin'ny tanin'Israely nandritra ny fotoana ela Midika izany fa tsy nanafika an'Israely nandritra ny fotoana ela izy ireo. DH: "nitsahatra tsy nanafika ny tanin'Israely nandritra ny fotoana ela"