plt_tn/jhn/05/21.md

967 B

Fa tahaka ny Ray manangana sy mamelona ny maty, dia tahaka izany ihany koa no ameloman' ny Zanaka izay tiany

Ny teny hoe "Fa tahaka" dia manamarika fahampitahana. Ny Zanak' Andriamanitra (Andriamanitra ilay Zanaka) dia manome fiainana tahaka an'Andriamanitra ilay Ray manome fiainana.

Ray ... Zanaka

Ireo dia fiantsoana manan-danja izay mamaritra ny fifandraisana eo amin'i Jesosy sy Andriamanitra.

mamelona

Ity dia maneho ny "fiainana ara-panahy."

Fa ny Ray dia tsy mitsara na iza na iza, fa nomeny ny Zanaka ny fitsarana rehetra

Ny teny hoe "Fa" dia manamarika fampitahana. Ilay Zanak'Andriamanitra dia mitondra ny fitsarana ho an'Andriamanitra ilay Ray.

mba hanajan'ny rehetra ny zanaka ... ny Ray. Izay tsy manaja ny Zanaka dia tsy manaja ilay Ray

Andriamanitra Zanaka dia tsy maintsy hajaina sy deraina tahaka an'Andriamanitra Ray. Raha tsy vitantsika ny manaja an'Andriamanitra Zanaka, dia tsy vitantsika koa ny manaja an' Andriamanitra Ray.