plt_tn/rev/19/07.md

1.1 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Ilay feon'ny vahoaka tao amin'ny andininy teo aloha dia manohy miteny.

Aoka isika hifaly

Eto ny hoe: "isika" dia maneho ireo mpanompon'Andriamanitra rehetra.

hanome Azy voninahitra

"Manome voninahitra an'Andriamanitra"

ny fampakaram-badin'ny Zanak'ondry, ary ny ampiakariny efa niomana

Eto Jaona dia miresaka ny fampifandraisana an'i Jesosy sy ireo olony hiaraka mandrakizay toy ny hoe fampakaram-bady.

ny Zanak'ondry

Ny " Zanak'ondry" dia ondrilahy kely. Ampiasaina eto izany mba ho marika hanehoana an'i Jesosy. Jereo izay nandikanao izany ao amin'ny 5:6.

ny ampiakariny efa niomana

Jaona dia miresaka ny olon'Andriamanitra toy ny hoe ilay ampiakarina izay efa vonona amin'ny fanambadiana.

Nomena alalana hiakanjo lamba rongony mamiratra sy madio izy

Eto ny hoe: "izy" dia maneho an'ireo olon'Andriamanitra. Jaona dia miresaka ny asa marin'ny olon'Andriamanitra toy ny hoe akanjo mamiratra sy madio izay hanaovan'ny ampakarina amin'ny andron'ny fanambadiany. DH: "Andriamanitra dia hanome alalana azy hiakanjo lamba rongony madio sy mamiratra"