plt_tn/rev/19/07.md

28 lines
1.1 KiB
Markdown
Raw Normal View History

2021-09-23 18:20:42 +00:00
# Fampifandraisana ny foto-kevitra:
Ilay feon'ny vahoaka tao amin'ny andininy teo aloha dia manohy miteny.
# Aoka isika hifaly
Eto ny hoe: "isika" dia maneho ireo mpanompon'Andriamanitra rehetra.
# hanome Azy voninahitra
"Manome voninahitra an'Andriamanitra"
# ny fampakaram-badin'ny Zanak'ondry, ary ny ampiakariny efa niomana
Eto Jaona dia miresaka ny fampifandraisana an'i Jesosy sy ireo olony hiaraka mandrakizay toy ny hoe fampakaram-bady.
# ny Zanak'ondry
Ny " Zanak'ondry" dia ondrilahy kely. Ampiasaina eto izany mba ho marika hanehoana an'i Jesosy. Jereo izay nandikanao izany ao amin'ny 5:6.
# ny ampiakariny efa niomana
Jaona dia miresaka ny olon'Andriamanitra toy ny hoe ilay ampiakarina izay efa vonona amin'ny fanambadiana.
# Nomena alalana hiakanjo lamba rongony mamiratra sy madio izy
Eto ny hoe: "izy" dia maneho an'ireo olon'Andriamanitra. Jaona dia miresaka ny asa marin'ny olon'Andriamanitra toy ny hoe akanjo mamiratra sy madio izay hanaovan'ny ampakarina amin'ny andron'ny fanambadiany. DH: "Andriamanitra dia hanome alalana azy hiakanjo lamba rongony madio sy mamiratra"