plt_tn/rev/11/10.md

1.2 KiB

hifaly amin'izy ireo ary hankalaza

"hifaly fa maty ireo vavolombelona roa"

Hifandefa fanomezana mihintsy aza izy ireo

Mampiseho ny hafalian'ireo olona io fihetsika io.

satria nampijaly ireo izay miaina ambonin'ny tany ireo mpaminany roa ireo

Izany no antony nahafaly ny olona amin'ny fahafatesan'ireo vavolombelona roa ireo.

telo andro sy tapany

"3 andro manontolo sy tapak'andro" na "3,5 andro" na 3 sy 1/2 andro"

hiditra ao amin'izy ireo ny fofon'aina avy amin'Andriamanitra

Ny fahafahana miaina dia resahina toy ny hoe misy zavatra izay afaka miditra ao anatin'ny olona. DH: "Andriamanitra dia hampiaina indray an'ireo vavolombelona roa ka ho velona izy ireo "

Hilatsaka amin'ireo izay mahita azy ireo ny tahotra lehibe

Ny tahotra dia resahina toy ny hoe zavatra izay afaka milatsaka eo amin'ny olona. DH: "Ireo izay mahita azy ireo dia hatahotra mafy"

Avy eo dia handre

Ireo mety ho dikany: 1) ireo vavolombelona roa dia handre na 2) ny olona dia handre izay lazain'ireo vavolombelona roa.

feo mahery avy any an-danitra

Ny teny hoe: "feo" dia maneho an'ilay iray izay miteny. DH: "olona iray niteny mafy tamin'izy ireo avy any an-danitra ary"

miteny azy ireo

"miteny an'ireo vavolombelona roa"