plt_tn/zec/14/20.md

980 B

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Ireto andininy ireto dia manohy ny fanoritsoritana ny ady farany ho an'ny tanànan'i Jerosalema sy ny fomba hanavotan'Andriamanitra azy.

tahaka ny lovia boribory eo anatrehan'ny alitara.

DH: "ho masina tahaka ireo lovia jobo nampiasaina teo amin'ny alitara"

ny vilany tanimanga rehetra ao Jerosalema sy Joda dia ho atokana ho an'i Yaveh tompon'ny maro

Ireo karazana vilany sy fanaka samihafa dia natao manokana mba ampiasaina ao an-tempoly amin'ny fanompoana an'i Yaveh sy ho an'ny sorona. Ireo dia noheverina ho miavaka, fa tsy ampiasaina amin-javatra hafa.

ireo mpivarotra dia tsy ho ao an-tranon'i Yaveh tompon'ny maro intsony

Fomban'ny mpivarotra ny mivarotra ireo zavatra izay ilain'ny olona mba hanaovana sorona manokana ho an'i Yaveh ao an-tempoly. Ireo dikan-teny sasany dia nandika hoe "Ireo Kananitra" eo amin'ny toeran'izany, satria mety misy heviny roa ny lahatsoratra Hebreo dia ny hoe: "mpivarotra" sy "Kananita."