# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Ireto andininy ireto dia manohy ny fanoritsoritana ny ady farany ho an'ny tanĂ nan'i Jerosalema sy ny fomba hanavotan'Andriamanitra azy. # tahaka ny lovia boribory eo anatrehan'ny alitara. DH: "ho masina tahaka ireo lovia jobo nampiasaina teo amin'ny alitara" # ny vilany tanimanga rehetra ao Jerosalema sy Joda dia ho atokana ho an'i Yaveh tompon'ny maro Ireo karazana vilany sy fanaka samihafa dia natao manokana mba ampiasaina ao an-tempoly amin'ny fanompoana an'i Yaveh sy ho an'ny sorona. Ireo dia noheverina ho miavaka, fa tsy ampiasaina amin-javatra hafa. # ireo mpivarotra dia tsy ho ao an-tranon'i Yaveh tompon'ny maro intsony Fomban'ny mpivarotra ny mivarotra ireo zavatra izay ilain'ny olona mba hanaovana sorona manokana ho an'i Yaveh ao an-tempoly. Ireo dikan-teny sasany dia nandika hoe "Ireo Kananitra" eo amin'ny toeran'izany, satria mety misy heviny roa ny lahatsoratra Hebreo dia ny hoe: "mpivarotra" sy "Kananita."