plt_tn/zec/14/09.md

28 lines
968 B
Markdown

# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
Ireto andininy ireto dia manohy ny fanoritsoritana ny ady farany ho an'ny tanànan'i Jerosalema sy ny fomba hanavotan'Andriamanitra azy.
# hisy Yaveh, ilay Andriamanitra tokana, ary ny anarany irery ihany
"hisy Andriamanitra tokana ihany, dia Yaveh, izay hotompoina."
# Araba...Geba...Rimona
Ireo dia anaran-toerana.
# Ho hasandatra hatrany i Jerosalema
Io dia manondro ny haavon'ny tanànan'i Jerosalema, eo amin'ny 760 metatra eo no ho eo raha ambonin'ny haavon'ny ranomasina.
# Vavahadin'i Benjamina...vavahady voalohany...Vavahady an-jorony
Ireo dia anaram-bavahady isan-karazany ao amin'ny mandan'ny tanànan'i Jerosalema.
# Tilikambon'i Hananela
Io dia manondro ny fefy matanjaka ao amin'ny fiarovan'ny tanàna amin'ny manda. Mety natsangan'ny lehilahy antsoina hoe Hananela izany.
# ireo famiazam-boaloboky ny mpanjaka
Io dia mety manondro ny toerana izay nanaovana ny divay ho an'ny fianakavian'ny mpanjaka.